09/09/2026
๐๐ฅน ๐๐ฎ๐๐๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐๐ฎ๐ผ ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ ๐น๐ฎ๐๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐บ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ณ๐ 18๐บ ๐ถ๐น๐ฎ๐ ๐๐ฎ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐ต๐ 11 ๐๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ , izay ๐๐ฎ๐ฑ๐ ๐บ๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ผ ๐บ๐ฎ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ , 4 ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ผ ๐บ๐ฎ๐ต๐ฒ๐ฟ๐ ๐ถ๐๐ ๐ป๐ผ ๐๐ฎ๐๐ฒ๐น๐ฎ ๐๐ฎ๐ผ ๐ฎ๐ฟ๐ ๐ฏ๐ถ๐ฏ๐ถ๐น๐ฎ๐๐ฎ ๐๐ ๐๐ฎ๐ต๐ผ๐ป๐ฎ ๐ป๐ผ ๐ป๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐ป๐ . ๐๐๐ผ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ผ๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ ๐ถ๐๐ ๐ป๐ฎ ๐ฑ๐ถ๐ฎ ๐ป๐ถ๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ผ ๐ป๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ 104 ๐ผ๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐๐ฎ .
๐ ๐๐๐๐ก๐๐๐ ๐ ๐ฆ ๐ง๐๐ฃ๐-๐๐๐ ๐ฆ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ง๐๐๐๐๐๐ ๐๐ก๐ ๐๐๐๐โ๐๐ฆ ๐๐๐๐ฆ , ๐๐๐๐๐๐๐ ๐ก๐๐๐๐โ๐๐๐๐ ๐๐๐ง๐๐ก๐ฆ ๐ฃ๐โ๐๐๐ฆ ๐๐๐ฆ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ ๐ก๐๐๐ฆ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐ฆ .
๐ฎ๐ณ Tany Inde no niseho ny tantara , 11 taona i Rahul , zazalahy sady moana no marenina . Raha iny izy nilalao tao ambadikinโny tranony iny dia latsaka tampoka tao anaty lavaka , lavaka lalina mirefy 24m , saika natao vovo izy ity fa najanona tampoka , ka lasa fanariam-pako taty aorina . Noho i Rahul moana dia tsy afaka niantso vonjy toy ny olona rehetra izy fa mikiakiaka fotsiny .
๐ฅน Tsy hitan'ny ray aman-dreniny ary i Rahul , nitady azy ny iray tanana, ilay feony somary mikiakiaka kely iny no heno avy lavitra . Sarotra ho anโny fianakaviana nefa ny nanala azy tao noho ilay lavaka tena tery satria 60sm eo eo ny vavany. Nantsoina ny mpamonjy voina , sarotra ny raharaha ka ny fandefasana oxygรจne aminโny alalanโny tuyau no natao voalohany , ary ny fampidinana camรจra hanarahana maso ilay zaza .
๐ Loza nefa no hitanโny camรฉra tao satria dia sahona ngezabe sy bibilava tena masiaka no miaraka aminy ao , ny tongony amin'io taraiky tao anaty fotaka mandrevo feno fako . Ny nahagaga dia tsy mba nanaikitra azy mihitsy ilay bibilava fa toa niambina azy aza. Nandefasana tady i Rahul mba hiakarany, saingy rehefa tafiakatra ambonibony dia votsotra foana , reraka ilay zaza .
๐ Ny vahaolana farany dia ny nangady lavaka teo akaikiny ,ny tena enjana dia vato mafy be ilay tany teo akaiky teo , ka tsy maintsy vakiana tanana , ka rehefa manakaiky ny 18m misy ilay zaza dia natao nifandray ny lavaka ka eo no anovatana aza . Naharitra 104 ora ny fanafovotana ary mpamonjy voina 500 isa no niditra an-tsehatra , tao ny polisy , miaramila , scout โฆ.Tsara ny manamarika fa tamin'ny alalan'ny tady no nanomezana sakafo azy .
๐จ Narary voanโny tazo be i Rahul rehefa afaka ka tsy maintsy nijanona andro maromaro tany aminโny hรดpitaly . Rehefa nivoaka ny hรดpitaly izy dia nilaza ny fanjakana fa hiantoka tanteraka ny fiainanโny Rahul , na ny fitsaboana io na ny fianarana .
๐ ๐ก๐ ๐ฃ๐ฒ๐ท๐ : Tix Story & Tsy maintsy tafita aho