27/08/2025
🛑 NY ANTONY MAHATONGA NY VOLO FOTSY HITSIRY ALOHA LOATRA AMIN'NY OLONA IRAY MBOLA TANORA VAO MISONDROTRA 🛑
🪴Matetika ny volo fotsy dia mivoaka rehefa mihena na mijanona ny famokaran’ny mélanine (pigment manome loko mainty/volontany ny volo).
🪴Raha mbola tanora anefa ilay olona no efa feno volo fotsy, dia midika izany fa misy antony manokana mahatonga azy ao...
🔴''Anisan'ireo antony lehibe (Causes principales)
1️⃣Fifandovana / Hérédité
➡ Raha efa nisy Ray aman-dReny teo aloha nisy volo fotsy mbola kely, dia mety hifindra amin’ny taranaka.
2️⃣Tsy fahampian-tsakafo / Carences nutritionnelles
➡ Tsy ampy Vitamine B12 (atody, hena mena, trondro, ronono)
🌱 Acide folique & protéines (tsaramaso, lentilles, pois, soja)
🥜 Cuivre (copper) (voanjo, amandy, kakao)
👉Ireo rehetra ireo no ilaina amin’ny famokarana mélanine...
3️⃣Adin-tsaina & tsy fahampian-torimaso / Stress & manque de sommeil
➡ Manimba ny sela mélanocytes ka mampitsahatra ny famokaran’ny loko voajanahary...
4️⃣Aretina sasany / Maladies
➡ Olana amin’ny glandes thyroïdes na aretina toy ny vitiligo...
5️⃣Fomba fiaina / Mode de vie
➡ 🚬 Sigara, 🍷 alcool, 🍔 sakafo tsy équilibré → manafaingana ny fiposahan’ny volo fotsy...
6️⃣Fanafody sasany / Médicaments
➡ Mety hiteraka fiovana amin’ny lokon’ny volo...
🔴Ny volo efa fotsy ve afaka miverina ho mainty indray...?
❌Tsia – Raha efa fotsy tanteraka ilay volo, tsy hiverina ho mainty intsony...
✅Raha avy amin’ny tsy fahampian-tsakafo na stress, dia mbola azo sakanana ny fitomboan’ny vaovao hafa...
✅Torohevitra sy Fisorohana (Prévention)
🥩Mihinàna sakafo manan-karena Vitamina B12, protéines, cuivre sns...
🥗Ampidiro ao anaty sakafonao: atody, hena, trondro, tsaramaso, lentilles, kabaro, voanjo, amandy, voankazo & legioma...
🚭Fadio ny sigara & alikaola, ary mila ampy torimaso tsara (7–8 ora).
😌Fahaiza mifehy stress (fialan-tsasatra, fanatanjahan-tena, meditation).
💧Mila misotro RANO betsaka foana isan'andro...
↔️Fomba voajanahary malaza (Remèdes naturels)
🥥Huile de coco + tongolo gasy – hosorana amin’ny hodi-doha hanamafisana volo...
🌿Ravina curry endasina ao anaty menaka – hosorana amin’ny volo...
🧅Tongolo mena voatoto – mampitombo circulation amin’ny hodi-doha...
🍯Ranon’ny voasarimakirana + tantely – manadio & manome hery ny hodi-doha...
Indrana
Mirary soa hatrany dia mba zarazazarao maximum fa mahasoa anao sy ny hafa merci 🙏🤗🇲🇬
Aza hadino hatrany manaraka ny page-tsika raha tehahazo zavatra mahasoa sy mahaliana isanadro ianao 👉 Lydia Tsiafera Gasy 🇲🇬❤️ Na kitiho fotsiny ilay soratra mangakely hoe suivre ery ambony indrindra dia tafiditra ianao merci 👍