23/08/2026
FANGATAHANA AMIN’NY FANJAKANA MALAGASY 🇲🇬
Manoloana ny fitomboan’ny famonoana olona sy ny tsy fanajana ny ain’ny olombelona eto amin’ny firenena, dia mangataka amin’ny Fanjakana izahay mba handinika lalina ny fanamafisana sy fanovana ny lalàna momba ny famonoana olona.
Ho an’ireo olona izay voaporofo mazava sy tsy misy fisalasalana ara-dalàna fa niniana namono olona, dia tokony hisy sazy faran’izay henjana sy tena manakana ny hafa tsy hanao toy izany intsony.
Raha toa ka lasa tsapan’ny mpanao heloka bevava fa mora loatra ny manala ain’olona, dia mampanahy ny fiarovana ny vahoaka sy ny filaminan’ny firenena izany.
Tsy fangatahana valifaty izao, fa fangatahana mba hiarovana ny ain’ny olom-pirenena, hampitomboana ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ny fitsarana, ary hampitsaharana ny kolontsain’ny tsy fanajana ny aina.
Koa mangataka amin’ny Fanjakana Malagasy, ny Antenimiera ary ireo tompon’andraikitra amin’ny lalàna sy ny fitsarana izahay mba handinika ny fanamafisana ny sazy, anisan’izany ny adihevitra momba ny peine de mort ho an’ireo famonoana olona niniana natao izay voaporofo tanteraka teo anatrehan’ny fitsarana.
Ny ain’ny olona dia tsy kilalao. Mila lalàna hentitra. Mila fitsarana marina. Mila fiarovana ny vahoaka. 🇲🇬