04/02/2026
HOY NY TOMPO AMINAO HOE : NY ZAVATRA TOKANA ASAINY FEHEZINAO DIA NY TENANAO …
✋Tsy ho VOAFEHINAO ny fiainanao rehetra.
✋Tsy ho VOAFEHINAO ny ataon’ny olona.
✋Tsy ho VOAFEHINAO ny ampitso, AZY izany.
Ny TOKANA tian’Andriamanitra ho fehezinao : NY TENANAO. (FIFEHEZAN-TENA)
« Aza manahy NA INONA NA INONA, fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny ZAVATRA REHETRA. » Filipiana 4.6
Isaky ny MIHOATRA noho ny tokony ho izy ny AHIAHY, tahotra, fahatezerana, VAVA avoaka, dia efa miteny ny TOMPO HOE : omeo Azy, resaho Aminy, tsory Aminy NA INONA NA INONA.
👉Lasa AMBONY loatra ilay tahotra.
👉Lasa AMBONY loatra ilay fahasorenana.
👉Lasa AMBONY loatra ilay fahatezerana.
👉Lasa AMBONY loatra ilay ahiahy.
✋Tsy ZAKAN’ny fo-kelinao izany.
✋Tsy ZAKAN’ny saina-kelinao izany.
✋Tsy ANTONONA ny tànana-kelinao izany rehetra izany.
✋MANENA ny toerana afaka hiasan’ny Fanahy Masina izany.
👉FEHEZO amin’izay ny saina.
👉FEHEZO ny fahatezerana.
👉FEHEZO ny tahotra.
👉FEHEZO ny nofo.
👉FEHEZO ny tànana.
👉FEHEZO ny lela.
👉FEHEZO ny fotoana.
👉FEHEZO ny maso.
👉FEHEZO ny zavatra henoina.
👉FEHEZO ny olona henoina.
👉AROVY ny fo.
Dia tsy mikorontana ny ao anaty satria FITOERANA anankiray, zavatra fikirina anankiray dia manome varavarana ho an’ny devoly sy ny fakam-panahy. AHIAHY anankiray diso tafahoatra fotsiny no MANOKATRA toe-po ratsy be dia be isan-karazany dia RERAKA tanteraka ianao.
HOY NY TOMPO HOE : MIJERE FITARATRA, IO OLONA IO NO TIANY HIFEHY TENA, IZANY NO HIAROVANAO NY FONAO SY NY FIAINANAO SATRIA IZY NO MANAO IZAY TSY VITANAO ARY TENA HO ATAONY.