12/12/2019
MBA manao fromage Koa ndraindray
SALAMA E!👋👋👋
FROMAZY mitovy tsiro amin'ny VACHE QUI RIT indray no atao androany!🐄🐂🐃🐄🐂🐃 Ny endriny no samy hafa.
Karazana fromage frais ihany izy ity. Tafita tsara ilay tsiro!!!!
Raha te hanao "CARRE FRAIS" dia tahaka izao ihany koa.
🍀IREO AZO AMPIASANA AZY :
🐄Aroso miaraka amin'ny m**o tahaka ny eo amin'ny sary : toast, sandwich sns
🐂Azo atao sesika nan au fromage (karazana m**o fanaon'ny indianina dia sesefana frômazy)
🐂Azo ihinanana ovy vao mafana
Sns
🍀FAMPIRIMANA :
Azo ampirimina ao anaty vata fampangatsiahana 4°C mandritra ny 3 na 4 andro raha be indrindra fa aorian'izay dia efa hanomboka hiova indray ny tsirony.
🍀ILAINA :
🐄Ronono masaka : iray litatra (tsy mety raha vao mitampoka, tsy mety raha ronono vovony) - "lait frais" no atao.
OVAIKO KELY : Mety daholo ihany ireo fa ny kalitao sy ny fatra azo no samihafa.
🐂Frômazy telozoro (karazana vache qui rit izany e! mety koa manko ny carré frais ) : 5 na 6
🐃Dibera : intelo ny sotro fihinanana
🐂Ranom-boasary makirana : inefatra ny sotro fihinanana
🍀FIKARAKARANA :
🐄Manamboatra fromage frais : ampangotrahana ny ronono (📸1) dia esorina ambony afo.
🐂Arotsaka ny ranom-boasary makirana indroa ny sotro fihinanana. (📸2)
🐃Aroaroina mba ho azon'ny voasary makirana ny ronono rehetra.
🐄Vetivety dia misaraka ny ranony (petit-lait) sy ny vaingany (caillé) - (📸3)
🐂Tsihifina amin'ny pasoara asiana lamba manifinify somary makarakara. (📸4) et (📸5)
🐄Dia avela mitsika eo mandritra ny adiny roa. (📸6)
🐂Rehefa lasa izay fe-potoana izay dia atao anaty mixeur ilay mivaingana miaraka amin'ny dibera sy ny ranom-boasary makirana sisa ary ny frômazy telolafy (ny vache qui rit).
FANAMPI-MPANAZAVANA : Rehefa mandrotsaka ilay vache qui rit na carré frais dia ataovy roa aloha amin'ny voalohany. Dia andramo kely dia raha ilaina dia ampio roa indray dia tohizo mixer-na indray. Dia andramo kely! Tokony efa ahaaha-po izay fa raha mbola tiana hatsirotsiro kokoa vao ampio tsirairay amin'izay ily fahadimy na fahaenina. 5 aloha hitako ao tsara e!
🐄Ahodina potehina ao ary tsy mitsahatra raha tsy malamalama. (📸7)
Dia vita ny frômazy !!!!!
🐂Azo ampiana izay hanitra sy tsiro izay tiana tahaka ny tongolo gasy, tongolo ravina, sns
🐄Raha vao manomboka mitsaingoka miaraka amin'ilay m**o vao mafana dia e! e! e! tsy te hitsahatra intsony.
Tsotra fa ataovy ary tsy hanenenana!!!!