04/06/2025
Mitadiava vola aloha, dia ampiadano ny tenanao.
Rehefa manam-bola, mandehana any amin’ny resto.
Rehefa manam-bola, manaova metimety
Rehefa manam-bola, ataovy izay mahafaly anao.
Ataovy izay maha-mety kokoa anao.
SAINGY TSAROVY:
Aza adino ny mandamina ny fandaniana sao lasa miaina ho an’ny androany fotsiny.
Ny fiainana efa mba nihamafy foana, fa tsy maintsy mba mivoatra koa ianao.
Noho izany:
✅ Tokony ho ampy tsara ny vola amin’ny filàna andavanandro (toy ny hofan-trano, sakafo, fitanterana sns).
✅ Tokony hisy vola atokana ho an’ny fampivoarana ny tenanao: boky, formation, fianarana, fanitarana réseau. Mila mivoatra ianao raha te hivoatra ny fidiram-bolanao
✅ Tokony hisy vola atokana ho an’ny fampandrosoana ny business-nao, mba hahafahan’ny fidiram-bola mitombo manomana vola ampiasaina na dia tsy vola be aza.
✅ Ary amin’izay vao ampiasaina ho an’ny plaisir: resto, shopping , sy fanomezana ho an’ny fianakaviana.
Tsy adino koa ny vola atokana hiatrehana tampoka (toy ny loza, aretina, na olana hafa tsy ampoizina mba tsy ho sahirana rehefa amin'izay fotoana izay )
Tsara anie ny mahazo fitafiana vaovao isam-bolana e, fa tsara kokoa ny mahita ny fidiram-bola miakatra isam-bolana.
Tsara ny mahita ilay entana vaovao ao an-trano sy mahita ireo sary tany amin'ny resto, fa tsara kokoa ny mahita ilay vola tsy mitsahatra mitombo ao anaty compte.
Tsara ny manam-bola sy manao izay mahafinaritra anao,
fa ilaina koa ny fahaizana mampifandanja ny fandaniana,
mba hahafahana mampivoatra sy miaina am-pilaminana.