24/04/2026
Manahoana daholoooo 👋🏼
Ndao atomboka ny fikafika fitsitsiana e 🫶🏼
🧼 TETIKA ANDAVANANDRO 📣
Aza avela ho levon’ny rano fotsiny ny volanao!
Samy efa nisedra an’izany isika rehetra: savony tavela anaty rano ka manjary malemy sy lany haingana loatra.
Ato amin’ny Sariaka Shop, tianay ny vokatra amidinay, saingy tianay kokoa raha maharitra ela any aminareo izany mba hitsinjovana ny tetibola!
Indreto tsiambaratelo kely 2 hahatonga ny savony ho mateza avo roa heny:
1️⃣ Ny fahamainana no lakile:
Mampiasà fitoeran-tsavony mitete rano (na asio vato kely madio eo ambaniny mba tsy hitsatoka anaty rano izy). Ny savony maina tsara eo anelanelan'ny fampiasana azy dia mateza in-3 heny noho ny savony lena lava sy milon-drano
2️⃣ Zaraina kely: Raha savony vaventy no ampiasainao, zarao 3 na 4 izany. Ny tapany kely ampiasaina ihany no lena, fa ny ambiny kosa mijanona ho mafy sy maina tsara any anaty fitoerany.
✨ Ny kely fanampiny avy amin’ny Sariaka: Asio tapa-tsavony maina tsara any anaty fitoeran’akanjonao (armoire). Manome hanitra natoraly sy mahafinaritra ny akanjonao izany!
✅ Indrindra koa, mampiasà savony tsara kalitao mamaly ny filan'ny tsirairay: mandaitra, mateza, @ vidiny mirary
Misy ve izany 🤔❓
🔜 Ho jerentsika manaraka eo ireo karazany eny an-tsena 🧐
Fa ianao, efa nahita ilay savony tena mamaly ny filana andavanandro ve ianao sa eo ampitadiavana ? Ndao hifampizarana sao mahasoa ny hafa e👇
Mirary tontolo andro mahafinaritra o 🥰