01/03/2024
Finaritra é😊
Hizara "astuce" kely indray Aho androany, tena mandaitra izy ity ary fanaoko matetika.
Ndao ary: fanalàna rivotra anaty kibo izy ity na ihany koa ianao voky loatra 😊
Reto ary ny zavatra ilaina Ary e:
- voasary makirana atsasany
-karibonetra tapaky ny sotro kely
-rano mangatsika bé(glacée mihintsy raha misy)
Afangaro tsara ireo ary sotroina avy hatrany raha vao vita.
Tena manala rivotra vetivety Io an
Tiako ihany koa ny manentana antsika fa tsara ny mitahiry karibonetra fa maro ny ilàna azy io nefa tsy dia lafo.
Aleo manao an'io mba tsy ho lazain'ny sasany hoe:"Ty koa oona misy rivotra😊😂"
Mirary soa indrindra ary ô