Maman zaza

Maman zaza Vente en ligne

17/06/2026

MBA HAHATONGA NY ZANAKAO
HO VOASINTONA EO AMINAO

Voajanahary amin’ny zaza ny filany ny ray aman-dreniny . Adidin’ny ray aman-dreny noho izany ny mamaly araka izay azo atao io filana sarobidin’ny zaza io .

Satria mila anao ny zanakao ; ary mba hisian’ny fifankahazoana am-po eo aminareo mianaka , dia misy fihetsika sy toetra tokony hanananao hisintonanao ny zanakao ho tia mankeo aminao .

Ity no lehibe indrindra amin’izany :

Fiarovana ara -pihetseham-po : mahita sy mahatsapa ny zaza fa raisina am-pitiavana izy .
Mahita ny zaza fa endrik’olon-dehibe faly sy malefaka no mijery , miresaka sy mihaino azy .

Ny fihetsika mifanohitra amin’izany dia manosika ny zaza hihataka amin’ny ray aman-dreniny .

Marefo ara-pihetseham-po ny zaza : mora sambatra izy ; kanefa mora mijaly ihany koa . Mora faly izy ; kanefa mora malahelo ihany koa .

Mahalala tiana ny zaza rehefa ekenao amin’ny fihetsika sy ny fomba fiteninao ny fisiany ao an-tokantrano .

Ny fifankahazoana am-po amin’ny zaza no tokony ho fototra apetratsika ray aman-dreny hiorenan’ny fahefantsika eo aminy .

Raoeliarijao

Mirary antsika mba samy ho salama, hitsena finaritra ny taona vaovao!
28/12/2025

Mirary antsika mba samy ho salama, hitsena finaritra ny taona vaovao!

Address

Antananarivo

Telephone

+261324969666

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Maman zaza posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share