Mamy kely store

Mamy kely store Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mamy kely store, Shopping & retail, 67Ha, Antananarivo.

💕Torohevitra sy vokatra ho any reny sy ny zaza

↔️ Fitiavana , Fikarakarana , Fahendrena ho an' ny fianakaviana

🌺Mivarotra sy manampy _ miaraka aminao isanandro

19/02/2026

FANENTANANA HO AN’NY RAY AMAN-DRENY rehetra 👶💛
Amin’izao fotoana izao dia maro ireo aretin-jaza miparitaka (gripa, kohaka, tazo, aretin-kibo…). Koa aoka isika ray aman-dreny hitandrina sy hiaro ny zanatsika 🙏
✅ Sasao matetika ny tanana
✅ Ataovy mafana tsara ny zaza
✅ Omeo sakafo ara-pahasalamana
✅ Ento manatona mpitsabo raha misy soritr’aretina
💌 Aza misalasala mi-partage mba hahafantarany ray aman-dreny maro!
👉 Mamy Kely Store – Miara-miahy ny fahasalaman’ny zanatsika 💕

Coucou ❤️ 🙋‍♀️!🎀 Torohevitra ho an’ny Reny Mitondra Vohoka 🎀👉 Aza manadino misotro rano matetika!✅ Mandritra ny fitondra...
30/05/2025

Coucou ❤️ 🙋‍♀️!

🎀 Torohevitra ho an’ny Reny Mitondra Vohoka 🎀
👉 Aza manadino misotro rano matetika!

✅ Mandritra ny fitondrana vohoka, ilaina be ny fihinanana rano ampy: manampy amin'ny fivezivezen'ny ra, misoroka ny constipation, ary manampy amin'ny fivelaran’ny ranon-jaza (liquide amniotique).

💡 Soso-kevitra: Ataovy tanjona ny misotro 8 ka hatramin’ny 10 vera isan’andro. Raha misy fivalanana na aretina hafa, mila manantona dokotera avy atrany.

👩‍⚕️ Tsarovy: Ny reny salama = zaza salama 💖



Araho tsy tapaka ny pejy ra vonona anaraka torohevitra isan'andro😊
Aza adino partage an🤗💌

👶 Torohevitra androany – Andiany 1: Fikarakarana zazakelyLohahevitra: Fanovàna lamba (couche) — Inona no tokony hoeritre...
29/05/2025

👶 Torohevitra androany – Andiany 1: Fikarakarana zazakely

Lohahevitra: Fanovàna lamba (couche) — Inona no tokony hoeritreretina?

"Ny fanovàna lamba dia tsy fikarakarana ara-batana fotsiny, fa fotoana hifandraisana amin’ilay zaza. Rehefa manova lamba ianao, dia manan-danja ny:

Fanasana tanana mialoha sy aorian’ny fanovana.

Fametrahana fitaovana rehetra efa eo am-pelatanana (lamba, servieta, crème).

Fijerena raha misy fahasosorana na fery amin’ny faritra mivalana.

Teny mamy sy fijery mamy rehefa manova, satria io no manome fiadanana ho an’ny zaza.

Na dia asa kely aza izany, dia fanomezana fiarovana sy fitiavana lehibe ho azy."

Ra mahalina anao 🤗 Abonné-o ny page

Address

67Ha
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mamy kely store posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share