29/09/2026
🧼 Fahadiovan’ny zaza : inona no tokony hataony irery arakaraka ny taonany ?
Tsy voatery i Maman foana no hanao ny zavatra rehetra ho an’ny Boss kely. 😊
Azontsika ampianarina tsikelikely azy ny fahadiovana sy ny fikarakarana ny tenany, arakaraka ny taonany sy ny fahaizany.
Ireto misy ohatra azonao ampiharina 👇
👶 2–3 taona : manomboka mandray anjara
Afaka ampianarina tsikelikely izy :
🧼 manasa tanana
🪥 miborosy nify
🧻 mampiasa mouchoir
🧺 mametraka ny lamba malotony amin’ny toerana tokony hisy azy
👉 Mbola mila fanampiana sy fanaraha-maso akaiky izy fa ny fandraisany anjara no zavadehibe
🧒 4–5 taona : manomboka manao zavatra tsotra irery
Afaka manomboka :
🚽 mampiasa WC sy manadio tena araka izay vitany
👕 misolo akanjo
🤧 mampiditra kiraro
👉 Mbola tokony arahina maso sy verifiena tsara foana hoe vita tsara ve na izany aza.
👧 6–8 taona : mampitombo ny autonomie
Afaka manomboka mianatra :
🚿 mandro irery, eo ambany fanaraha-maso raha mbola ilaina
🎒 hanasa ny lamba keliny
👉 Eto dia afaka manomboka manana routine hygiène-ny manokana izy.
👦 9 taona no ho miakatra : ampianaro ho tena tompon’andraikitra
Afaka manao irery bebe kokoa izy :
🚿 mandro sy mikarakara ny fahadiovany
🪥 miborosy nify tsy mila ampahatsiahivina foana
🧴 mikarakara ireo zavatra ilainy manokana
👕 mahafantatra hoe rahoviana no mila misolo akanjo
🧺 mandamina ireo zavatra ampiasainy
❤️ Fa tadidio : ny tanjona dia tsy ny hoe asaina manao irery avy hatrany izy, fa kosa ampianarina, ampiana amin'ny voalohany, arahina maso ary avela hanao irery tsikelikely.
✨ Ny zanakao, firy taona izao dia inona no efa hainy atao irery ? ❤️