10/06/2026
🚨 FAMPITANDREMANA HO AN’IREO MPANJIFA ANY AMIN’NY FARITRA (PROVINCE) 🚨
Mba ajanony ny fanaovana commande raha tsy tena vonona handray ny entana ianareo.
Anio dia nisy olona nanizingizina mafy ny handefasana entana eny amin’ny KOFISA, nefa efa nanolotra safidy hafa akaiky kokoa sy mora kokoa izahay. Noho ny tsy fisian’ny livreur dia izaho tenako no nandeha nitondra ny entana. Rehefa tonga teny an-toerana anefa dia tsy namaly antso, nanao toy ny tsy nandre, avy eo namono finday ary namela anay anaty "vu".
Tsy kilalao ny asa ataonay. Tsy mandeha amin’ny rivotra ny solika, tsy maimaim-poana ny fotoana, ary izahay ihany koa dia manana adidy sy olana atrehina isan’andro.
Raha mbola misalasala, raha mbola tsy vonona handray ny entana, na raha tsy manana vola handoavana azy, dia aza manao commande mihitsy.
Mila fifanajana ny fiaraha-miasa. Mpanjifa no hajainay, fa manan-jo hajaina koa izahay amin’ny maha-mpivarotra anay.
Avoakako eto ny mombamomba ity olona ity ! Tsy fanaoko izao fa tena mahasorena lotra ny nataony ! Efa tratra foana ny livreur anay fa tsy hangina intsony izahay manomboka eto ihany koa ! ALEO ISIKA MIFANAJA ‼️🚩 AFAKA MITENY TSOTRA IANAREO ALOHANY HIAINGANAY HOE TSY HATAO INDRAY ILAY IZY FA TSY MANERY ANAREO AKORY IZAHAY FA TSY REHEFA ENY AN-TOERANA VAO MAMONO TÉLÉPHONE 😡‼️
Misaotra an’ireo mpanjifa maro izay manaja ny teny nomeny sy ny fotoanan’ny hafa. 🙏