04/06/2026
Joie Agapé
🎶 VIBRATO Vs TREMOLO: Inona marina no maha-samihafa azy? 🎶
Matetika isika mpihira na mpankafy mozika no mampifangaro ireto teknika roa ireto. Na dia samy manome "onja" na "fihetsiketsehana" amin'ny feo aza izy roa, dia misy fahasamihafana goavana be eo amin'ny lafiny teknika!
Andao hojerentsika akaiky ireo fahasamihafana ireo. 👇
🙏 Mialohan'izay, asaiko ianao mba hi-suivre ny page mba ahafahanao manaraka ireo karazana toro -hevitra aroso eto amin'ny pejy 🙏
1️⃣ Inona no atao hoe VIBRATO?
Ny Vibrato dia fiovana kely sy haingana eo amin'ny haavon'ny feo . Miakatra sy milatsaka kely ny feo fa tsy mijanona amin'ny tsipika mahitsy. Miforona ho azy (naturel) izy io rehefa mialalaka tsara ny lalan-tny feo tsy tery ny tenda, ary ampy tsara ny rivotra .
Manome hafanana, hery, ary fahatsaran ho an'ny hira ny Vibrato.
2️⃣ Inona no atao hoe TREMOLO?
Ny Tremolo dia fiovana eo amin'ny herin'ny feo . Tsy miova ny naoty hiraina fa ny feo no lasa mandeha mafy, haingana dia haingana.
Lasa mipararetra ny feo na "(vitesse saccadée). antsoin'ny vahiny hoe (voix de chèvre) raha tafahoatra.
Ny fihenjanan'ny ny hozatry ny tenda tafahoatra na ny fanerena ny tenda amin'ny fomba tsy voafehy no mahatonga azy.
vokany: Manome fahatsapana ho toy ny matahotra, mikorontana, na reraka ny feo.
🎤 Iza no TSARA KOKOA ho an'ny mpihira?
Ny VIBRATO no tsara indrindra sy tadiavina indrindra amin'ny fihirana.
Ny vibrato tsara dia famantarana fa salama sy milamina ny feonao, ary voafehinao tsara ny fofonainao.
Ny tremolo kosa dia tokony hialana satria matetika izy io no midika fa tery ny tenda . Na izany aza, azo atao ihany ny mampiasa kely ny tremolo raha misy fihetseham-po manokana tiana hampitaina (ohatra: hira mapalahelo be na manambara tahotra).
💡 Torohevitra ho anao: Raha mipararetra toy ny tremolo ny feonao, miezaha miala sasatra, aza terena ny tenda, ary aza adino ny miaina amin'ny kibo (respiration diaphragmatique) mba hivoahan'ny vibrato voajanahary sy tsara tarehy!
✍️Joie Agapé