Shop LFL analavory.

Shop LFL analavory. Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Shop LFL analavory., Shopping & retail, Antananarivo.

Mitohy atrany ny fandraisana commande poussin pondeuse ato aminay aManantona mivantana n'y shop LFL analavory ampitan va...
24/09/2025

Mitohy atrany ny fandraisana commande poussin pondeuse ato aminay a
Manantona mivantana n'y shop LFL analavory ampitan vavahaditsena ambany fa vonona handray Anao zahay🤩🥰🥰🥰

🐥Fandrio dieny izao ny akoho kely "𝐊𝐢𝐧𝐠𝐚" mpanatody lava 01 andro ho an'ny volana 𝐉𝐨𝐥𝐚𝐲 🐥

💪Matanjaka ☀️Mahazaka ny toetr'andro rehetra 💉Efa vita vaksiny

📍 Ataovy haingana ny commande eny amin'ny shop LFL sy shop Farmshop mahazatra anao!

Prix conseillé: 6 000 Ar

Mankasitraka e!!!

24/09/2025
24/09/2025

𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒉𝒐𝒆 𝒂𝒔𝒄𝒊𝒕𝒆 ?
Ny « ascite » dia tranga iray izay miseho amin’ny alalan’ny fiangonan-drano, miloko mavo, ao anatin’ny kibon’ireo akoho, izay matetika vokatry ny tsy fetezan’ny fo.

Mety ho hita io tranga io na any amin’ireo akoho mpanatody lava na any amin’ireo akoho fakana nofo, fa ity farany no matetika voa noho izy haingam-pitombo.

Ny iray ampahefan’ny fahafatesan’akoho fakana nofo maneran-tany dia vokatr’io « ascite » io avokoa. Amin’ny ankapobeny 4,7% ny andian’akoho nampidirina no voany, ary mety hiakatra hatramin’ny 15 na 20% izany.

𝑨𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒔𝒆𝒉𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒔𝒐𝒓𝒊𝒕𝒓’𝒂𝒓𝒆𝒕𝒊𝒏𝒂 ?
Eo ho eo amin’ny faha 5 herinandro eo no tena ambony ny taham-pahavoazana
👉Tsikaritra fa malaina hietsika ireo akoho ary mampiseho fahaseporana
👉Kely vatana (tsy mitombo) kokoa ireo akoho voan’ny « ascite »
👉Matetika misy rano ny kibon’ireo biby rehefa tsapaina

Marihana fa tsy azo 🚫 amidy ny henan’akoho voan’ny « ascite » noho izy sokajiana ho isan’ireo hena maloto na tsy mahasalama ireo mpihinana.

𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒂𝒓𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒂𝒏𝒕𝒐𝒏𝒚 ?
Matetika mitranga ny « ascite » rehefa tsy ampy na maloto ny rivotra iainan’ny akoho. Ireto avy ireo karazana rivotra maloto misy ao anaty tranon’akoho ka manepotra azy ireo :
🔎« Ammoniac » : entona vokatry fahamasahan’ny maloton’ireo biby ao anaty tranon’akoho (vokatry ny lafika mando lava sy tsy voakarakara)
🔎Setroka : ateraky ny famanana, indrindra ireo tsy misy famoahan-tsetroka (cheminée)
🔎Manampy trotraka ny fahasemporan’ireo akoho ny fihibohan’ny tranony : tsy fahampian’ny fanavaozana rivotra sy tsy fahampian’ny fisokafan’ny varavaran-kely
Mihamaro sy mihamafy kokoa ny tranga sy ny fahafatesan’ny akoho rehefa misy mikraoba, sy rehefa mafana na mangatsiaka ny andro.

🅕🅘🅐🅡🅞🅥🅐🅝🅐 :
Fanarahana an-tsakany sy andavany ireo fenitra mahakasika ny fiompiana akoho indrindra ny fandraisana ny akoho kely, toa ny : hafanana, ny hakitroka, ny fivezivezen’ny rivotra madio , ny fikarakarana na fanoloana ny lafika.

Tongava manjifa ny concentré vokarin Farmshop Madagascar (LFL)
24/09/2025

Tongava manjifa ny concentré vokarin Farmshop Madagascar (LFL)

Maro ianareo mpanjifa no nangataka formules hafa ho an’ny CONCENTRES PORC LFL 🐷🐷.
Ho fanomezana fafaham-po sy ho fanampiana anareo dia ireto misy formules vaovao azo ampiasaina miaraka amin’ireo vokatra ireo (Démarrage, croissance ary finition).
Ny vokatra azo dia miankina tanteraka amin’ny kalitaon’ny akora fototra ampiasaina.
Ny tsara indrindra hatrany dia ny formule : 50% Concentré porc LFL + 50% Katsaka voatoto madinika 🌽🌽
Anao ny safidy 😊

-----------------------------------

Vous avez été nombreux à nous demander d’autres formules pour les CONCENTRES PORC LFL 🐷🐷.
Afin de répondre à vos besoins, nous vous proposons de nouvelles formules adaptées à ces produits (Démarrage, croissance et finition).
Les résultats dépendent principalement de la qualité des matières premières utilisées dans les formules.
La meilleure formule reste la 1ère : 50% Concentré porc LFL + 50% Maïs fin 🌽🌽
Le choix vous appartient 😊

24/09/2025

📢 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐨𝐦𝐩𝐲 𝐤𝐢𝐬𝐨𝐚 🐖

Miparitaka manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ny aretin-kisoa "𝐩𝐞𝐬𝐭𝐚" sy "𝐫𝐚𝐦𝐢𝐥𝐞𝐭𝐚𝐤𝐚", izay mety hiteraka fahafatesana betsaka ho an’ny biby fiompy.

👉 Inona no tokony hatao hisorohana azy?
1️⃣ Ataovy vaksiny ny kisoa
2️⃣ Araho tsara ny biosécurité ( tsy atao ambanin-javatra ny fahadiovana)
3️⃣ Omeo sakafo madio sy voalanjalanja ary tsy miovaova ny kisoa

⚠️ Tsarovy fa 𝒕𝒔𝒊𝒎𝒐𝒌𝒂𝒓𝒆𝒕𝒊𝒏𝒂 ireo ary 𝒎𝒐𝒓𝒂 𝒎𝒊𝒑𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒆𝒓𝒚 𝒗𝒂𝒊𝒌𝒂, ka mila mailo hatrany isika mpiompy

☎️ Raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy avy hatrany ny laharana maitso.

Pondeuse 4semaine14000ar n'y Ray Zay aka100sisa dispo
01/09/2025

Pondeuse 4semaine
14000ar n'y Ray Zay aka
100sisa dispo

Vokatra amin'ilay tsara kalitao,Tongava manjifa ra tinao ho tsara n'y fihompianao
26/08/2025

Vokatra amin'ilay tsara kalitao,
Tongava manjifa ra tinao ho tsara n'y fihompianao

26/08/2025

🤔Ny tsara ho fantatra mahakasika hakitroka sy ny mari-pàna ary ny fitaovana takiana amin’ny fiompiana akoho fakana nofo🐣🐥🐤

Ny tokony atao :
👉Ahena tsikelikely arakaraky ny taonan’ny akoho ny mari-pàna.
👉Ny haben’ny toeram-piompiana kosa dia mila ampitomboina arakaraky ny fitombon’ny akoho.
👉Ireo voalaza ireo dia TOROLALANA ihany, izay mety hiova arakaraky ny vanim-potoana (andro mafana na ririnina), ny toerana (afovoan-tany, moritsiraka, avaratra, atsimo, sns.), ny karazan’ny trano sy ny fitaovam-pamanana ampiasaina, sns…
👉Ny fanarahamason’ ny mpiompy sy ny toro-hevitry ny teknisianina no ahafahana manitsy ireo famantarana ireo raha ilaina.
👉Rehefa tsy ampy ny fitaovana ampiasaina dia misy fiantraikany amin’ny vokatra.
👉Mila atao miparitaka tsara manerana ny trano, mifanaraka amin’ny isan’akoho, ireo fitaovana.

----------------------------

🤔Les consignes en densité, température et équipements requis dans un élevage poulet de chair🐣🐥🐤

Les bonnes pratiques :
👉 L’ajustement de la température se fait de manière régulière suivant l’âge de l’oiseau.
👉Tandis que la surface d’élevage doit être élargie au fur et à mesure de la croissance des animaux.
👉Ces deux paramètres sont des GUIDES, et peuvent évoluer suivant les facteurs tels que la saison (été ou hiver), la localisation (hauts plateaux, côte, nord, sud etc.), le type de bâtiment, le chauffage utilisé, etc.
👉L’observation de l’éleveur et les conseils du Technico-commercial serviront à ajuster ces indications au besoin.
👉Si les matériels utilisés ne sont pas suffisants, il y aura un problème de performance et d’homogénéité.
👉Il faudra veiller à ce que ces équipements soient répartis équitablement dans tout le bâtiment.

Matetika mitranga mihintsy izy ty ry zareo a
26/08/2025

Matetika mitranga mihintsy izy ty ry zareo a

𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒉𝒐𝒆 𝒂𝒔𝒄𝒊𝒕𝒆 ?
Ny « ascite » dia tranga iray izay miseho amin’ny alalan’ny fiangonan-drano, miloko mavo, ao anatin’ny kibon’ireo akoho, izay matetika vokatry ny tsy fetezan’ny fo.

Mety ho hita io tranga io na any amin’ireo akoho mpanatody lava na any amin’ireo akoho fakana nofo, fa ity farany no matetika voa noho izy haingam-pitombo.

Ny iray ampahefan’ny fahafatesan’akoho fakana nofo maneran-tany dia vokatr’io « ascite » io avokoa. Amin’ny ankapobeny 4,7% ny andian’akoho nampidirina no voany, ary mety hiakatra hatramin’ny 15 na 20% izany.

𝑨𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒔𝒆𝒉𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒔𝒐𝒓𝒊𝒕𝒓’𝒂𝒓𝒆𝒕𝒊𝒏𝒂 ?
Eo ho eo amin’ny faha 5 herinandro eo no tena ambony ny taham-pahavoazana
👉Tsikaritra fa malaina hietsika ireo akoho ary mampiseho fahaseporana
👉Kely vatana (tsy mitombo) kokoa ireo akoho voan’ny « ascite »
👉Matetika misy rano ny kibon’ireo biby rehefa tsapaina

Marihana fa tsy azo 🚫 amidy ny henan’akoho voan’ny « ascite » noho izy sokajiana ho isan’ireo hena maloto na tsy mahasalama ireo mpihinana.

𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒂𝒓𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒂𝒏𝒕𝒐𝒏𝒚 ?
Matetika mitranga ny « ascite » rehefa tsy ampy na maloto ny rivotra iainan’ny akoho. Ireto avy ireo karazana rivotra maloto misy ao anaty tranon’akoho ka manepotra azy ireo :
🔎« Ammoniac » : entona vokatry fahamasahan’ny maloton’ireo biby ao anaty tranon’akoho (vokatry ny lafika mando lava sy tsy voakarakara)
🔎Setroka : ateraky ny famanana, indrindra ireo tsy misy famoahan-tsetroka (cheminée)
🔎Manampy trotraka ny fahasemporan’ireo akoho ny fihibohan’ny tranony : tsy fahampian’ny fanavaozana rivotra sy tsy fahampian’ny fisokafan’ny varavaran-kely
Mihamaro sy mihamafy kokoa ny tranga sy ny fahafatesan’ny akoho rehefa misy mikraoba, sy rehefa mafana na mangatsiaka ny andro.

🅕🅘🅐🅡🅞🅥🅐🅝🅐 :
Fanarahana an-tsakany sy andavany ireo fenitra mahakasika ny fiompiana akoho indrindra ny fandraisana ny akoho kely, toa ny : hafanana, ny hakitroka, ny fivezivezen’ny rivotra madio , ny fikarakarana na fanoloana ny lafika.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Shop LFL analavory. posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share