29/04/2026
⚠ZAZA MIKOHOKA⚠
Matetika tena manahirana ny Reny ny zaza mikohoka. Misy fikafika kely ity fa na izany aza marihiko tsara fa ho an'ny zaza mihoatry ny roa (2) taona no azo atao azy ity ary kohoka tanatin'ny herinandro latsaka no faharetany, raha mihoatra an'izay herinandro izay izany ny kohoka ho an'lay zaza no tsy nitsahatra mihitsy dia entina amin'ny tobim pahasalamana avy hatrany😊, averiko farany an👉 tsy mety ho an'ny zaza latsaky ny roa taona
🍀🍀🍀maka sakamalao ianao dia kikisanao , ataonao izay ahazoana sakamalao voakiky iray sotro fihinanana , vita izay dia maka oignon ianao dia tetehina madina na kikisana(atao izay ahazoana ranony mahavonto an'lay sakamalao voakiky io 😊
🍀🍀🍀alonanao ora iray am toerana mangatsitsika sy tsy tratran'ny taratry ny masoandro io fangaro kely io ary omena azy iray sotrokely matetika. Afaka atao maraina atoandro hariva raha tena mitrosona be am lay kohoka ilay zaza.
🍀🍀🍀manamboatra isaky ny hanome azy ary tsy maintsy alona ora iray mialoha ny hanomezana azy
🍀🍀🍀atsahatra avy hatrany vao mihafana ilay kohoka
🍀🍀🍀fitsaboana izy ity fa tsy fisorohana,noho izany dia ny zaza mikohoka ihany no omena azy fa tsy azo atao ho an'ny zaza tsy mikohoka
Izay fa dia rahapitso indray ny lohahevitra manaraka😊raha toa ianao ka izao vao manaraka ny pejy dia aza adino ny mi-abonné.