21/08/2024
🇲🇬❤️MBA TENA FANTATRAO VE NY AMALONA ?
Efa ho lany tamingana ny amalona eran'izao tontolo izao, isika aty amin'ny fari-dranomasina indiana no sisa manana. Ny amalona dia any anaty ranomasina lalina be indrindra 4km - 6km halalina no manatody, rehefa foy dia entin'ny ranomasina mandritra ny 3-6 volana ary mitoby eo am-bavan'ny vinany na "embouchure" rehefa septembre - fevrier. Miandry maizim-bolana dia miditra ny vinany ka manaraka ranomamy. Bibikely no sakafony, afaka mananika vato toy ny bibilava izy ny alina. Ny amalona miditra any Manakara ohatra dia misy mivoaka any Tulear, ny miditra any Tamatave dia hita any Ididy Ambatondrazaka. Misy karazany 4 ny amalona eto amintsika, rehefa afaka 10 ka hatramin ny 20 taona dia madiva ho matoy ny tsirinainany ka manamorona vavavinany hivoaka ny ranomasina, mavo ny kibony no famantarana izany. Rehefa tafiditra ny ranomasina izy ireo dia tsy misakafo intsony fa mifantoka @ fanatodizana. Rehefa afaka volana maromaro dia tonga eo amin ilay ranomasina lalina indrindra mafy tsindry na haute pression no manapotsitra ny kibony dia mivoaka ho azy ny atody ary tondrahan'ny lahy tsirinaina. Indrisy, satria reraka be no tsy nisakafo izy mivady, dia maty eo am-piterahana ny amalona vavy ary ny lahy koa avy eo. Tsy mahafantara izany sorona izany akory ireto zanany (civelles) fa dia faly ery entin'ny ranomasina ho ety an-dranomamy. Ny nofon'ireo ray aman-dreniny aza no solon-tsakafo ho vatsin'izy ireo eny an-dalana. Mahalasa saina.
1) Ny Amalombandana
Iresaka manokana mahakasika ny "Amalombandana, na Tona, isika, dia ny Anguilla marmorata" izany izay amalona afaka ny ho lehibe vatana noho ireo 3 hafa.
Saropady ny miresaka azy satria maro ny fady, sandrana mihintsy aza. Ny tona dia tsy tia mandeha lavitra loatra fa saika eny @ farihy sy ny lakan-drano mangingina no tiany amiron-tsiraka, na toerana tsy dia be fiakarana raha sendra aty ampivoantany.
Mila mitandrina fa raha vao mihoatra ny 10 kilao izy dia efa "RAMANGITIKA" no anarany ao atsimo ao. Tandremana tsara ny mandro eo @ izany fa na ny nonom-behivavy, na ny mahalehilahy dia mety ho voarapak'io Ramangitika io. Izay tranga natetika nisy izany.
Ny Anguilla marmorata lehibe dia miara-monina @ voay, mifankatahotra ireo satria mafy hoditra no sady marani-bangy ny Ramangitika. Ny madinika kosa dia miara-monina eny @ ranobe fa ny vaventy mibahana eny @ kizo be trondro, patsa, foza,...
Ny tona 1-4kg, tsy mbola be menaka, mihoatra io lanja io vao matavy izy.
Tsy tahaka ireo amalona telo hafa Anguilla bicolor, mossambica, nebulosa labiata, ireo 1kg na 2kg dia efa matavibe.
Izao anefa, miangavy anao mba hitandrina koa fa tsy firesaka akory ny tona any @ faritra maro tahaka i Vohipeno, tena sandrana (fady tsy azo ialàna, fahotana mahafaty). Fa ny amalona ankoatry ny tona dia azo resahina satria fihinana saingy @ toerana mbola voafetra ihany koa.
Fa maninona no zaraina aminao anio izany ? Satria tsy natao ho topon-trano mihono isika malagasy indrindra fa zanak'Andriamanitra rahateo.
2) Ny amalo-potsy sy ny amalo-maitso
Eto indray dia ny amalo-potsy sy ny amalo-mainty. Anguilla bicolor sy mossambica. Ao ihany koa ny amalo-maintso toy ny any Ididy Ambatondrazaka, Anguilla nebulosa labiata. Saika tsy misy mihoatra ny 2kg ny tena lehibe amin'izy ireo saingy BEMENAKA NY HODINY noho ny TONA MBOLA LATSAKY NY 4Kg.
Raha ny amalo-maina indray dia IANAREO EFA MAHAY (Anguilla ambilany hoy ny vazivazy).
BE CALORIE NY AMALONA, LAFO VIDY IZY SATRIA NY ASIATIQUE DIA SAIKA EFA MIHINANA AZY HOANINA MANTA TAHAKA NY HUITRE (Asiana sauce vinaigrette)
FALY NY AMALONA REHEFA INY CYCLONE INY SATRIA AFAKA NIPARITAKA MIREMBY SAKAFO.
Ny amalona dia biby mifampihinana rehefa noana, koa maika fa ity nofontsika ity mitsoboka anaty rano ao.
Namana Androsarotra
©️📸Malagasy ve ianao, manasa anao hizara rehefa avy novakianao 🙏🇲🇬❤️
Aza hadino hatrany manaraka ny page-tsika raha tehahazo zavan-tsoa sy mahaliana isanandro ianao 👍 Kitiho ilay soratra mangakely ery ambony indrindra dia tafiditra ianao merci 👆
©️👉Lydia Tsiafera Gasy 🇲🇬❤️