25/07/2021
RY VEHIVAVY NAMAKO.....!!!!!!
Tiako ianao....Ireto misy hafatra vitsivitsy ampitaiko aminao :
1)-Tadidio fa tempolin'Andriamanitra isika fa tsy hotely ka hivantan'izay te hiditra ao...
Fa hoy Isy : "Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra ? Ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo". (I Koritiana 6 : 19)
2)-Aza manaiky hataon'ny lehilahy ho toy ny saribakoly ka ho lalaovina sy azo ariana.
3)-Aoka ho tsapanao fa tsy daba-pako koa ianao ka hanarian'ny lehilahy izay mavesatra tsy zakany any.
4)-Aza mihevitra ny tenanao ho entana na zavatra koa ka ho sandaina.
5)-Mitondrà tena toy ny vehivavy mendrika (fitafy, fiteny, sns....), hendry, mahay manaja ny hafa ka ho mendrika hajaina.
Fa hoy Izy : "Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana". (I Timoty 4 : 12)
6)-Meteza ho toy ny diamondra, madio, sarobidy ary tsy fahita firy toy ny anana eny an-tsena.
7)-Meteza ho toy ny tantely, tsara jerena fa sarotra samborina.
8)-Meteza ho toy ny mpanjakavavy (Reine) ka tsy hanintona raha tsy ny mpanjakalahy (Roi)
9)-Meteza ahafoy ny fotoanao rehetra isainana an'Andriamanitra na inona na inona atao.
Fa hoy Izy : "Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany". (Kolosiana 3 : 17)
10)-Lanio ny fotoana hanompoana an'Andriamanitra (na eo amin'ny fianarana, ny asa aman-draharaha.....eny, hatreto amin'ny Facebook) fa aza laniana amin'ny zava-poana na dia fialam-boly aza no eto.
11)-Anio, raha efa misy hadalàna efa vitanao dia mibebaha, aneneno izany ka mifonà amin'Andriamanitra, dia atolory ny tenanao ho fanatitra velona, masina sitrak'Andriamanitra (Romana 12 : 1)
Fa hoy Izy : "Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka." (Lioka 5 : 32)
12)-Rehefa zany, dia aza manameloka ny tenanao intsony fa hain'ny Tompo ny mamafa izany hoy toy ny tsy misy intsony fa olom-baovao eo imasony ianao.
Fa hoy Izy : "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo". (II Koritiana 5 : 17)
13)-Raha mitamberina ao aminao ny ota efa nibebahana marina tamin'ny fonao dia roahy amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta izany fa asan'ny devoly manangoly sy miampanga tsy hananao fiadanana...
Dia miorena amin'ny finoana....Nefa aoka kosa handinin-tena mandrakariva ndrao mbola misy ota tsy foy ao ka mahatonga an'ilay ratsy hanameloka anao foana.
=======>>>Tsarovy mandrakariva fa ny momba antsika rehetra dia an'Andriamanitra ka aza avela ho viravirain'ny hafa hamotika anao fa hoy ny voalazan'ny soratra masina :
""""AOKA HO MASINA HIANAREO SATRIA MASINA AHO, JEHOVAH ANDRIAMANITRAREO..."""""
Fa hoy Izy : "Araka ny fahamasinan'Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondrantena rehetra" (I Petera 1 : 15)
Zarao amin'ny hafa izany hafatro zany raha tsapanao fa marina
Raha nahaliana anao ilay fijoroana vavolombelona dia misy fampianarana sy fampaherezana marobe ato @ ireto page efatra naman'ito page ito izay marihina fa tsy miankina @ fiangonana fa mitaona anao kosa hanolotena hoan'nyTompo satria Tsara Ny Tompo :
1. MES ESPACES EVANGELIQUES DR :
https://web.facebook.com/MesEspacesEvangeliquesDR/
2. MES VIDEOS EVANGELIQUES DR :
https://web.facebook.com/MesVideosEvangeliquesDR/
3. MES VERSETS BIBLIQUES PREFERES DR :
https://web.facebook.com/MesVersetsBibliquesPreferesDR/
4. TSARA NY TOMPO :
https://web.facebook.com/TsaraNyTompoIsanandro/