18/07/2023
aza maiky
⛔TSY NATAO HO AN'NY MORA TOHINA⛔
🔴Manana drafitra ianao?
Tano ho anao irery, ketreho mangina, fa tsy ny rehetra no namanao, tsy ny rehetra no tia anao, ny alika hanaikitra tsy mivovoa hoy ireo Hendry, ary ny fahavalo mody namana.
🔴misy mi attaque vé? Eso teny, rahom-bava, ompa,...
Zairo ny vavanao, satria:
👉tsy afaka mifehy ny vavan'olona tsy hanompa anao ianao fa afaka mifehy ny vavanao tsy hamaly azy.
👉ny fijerin'ny olona anao sy izay lazain'ny olona momba anao tsy midika mihitsy hoe izay ianao.
👉ny olona boxe vava sy karaté vava dia faible foana, fanafenany ny fahalemeny ilay vava Be!...
"Kely kokoa ny risque raha mampiasa basy silencieux ianao noho mampiasa basy tsy misy silencieux" azonao vé?
Perroquet ianao sa voromahery?
Itsy voalohany mantsy maro resaka loatra fa iva fanidina, ito faharoa, miasa mangina fa avo fanidina.
Ny fahanginana no namana tsy mba mamadika, ary milay be ange ry akama manao toy ny afomanga e! Tsy renao tsy hitanao loatra ny fiakany eto ambany fa ny fipoahany tampoka eny ambony no manaitra vahoaka. Azonao amin'izay ngamba e!
Ndao ary!
Ndao atao ary!
Tsy misy tsy vitan'izay vonona OA!
Izay tsy mandroso isan'andro mihemotra isan'andro.