Laf'Hatra

Laf'Hatra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Laf'Hatra, Shopping & retail, Toamasina.

14/11/2022

VAKIO KA ZARAO🙏🏻
🔥Ny café sy ny fahasalamana
iresaka momban'ny café sy ny mahatsara azy amin'ny fahasalamana isika eto. Anisan'ny manampy fitadidiana sy ny fifantohana izy, mampihena ny mety ahazoana ny Alzheimer sy ny cancer samihafa. Kanefa raha be loatra ny fisotroana azy dia lasa mampitombo be ny fitempon'ny fo izy, tosidra mandalo sy ny fahasorenana. Na izany aza dia ireto misy voka-tsoa azo avy aminy raha sotroina am-pahamendrehana fa tsy be loatra.

âś…Miaro ny taova:
Mitondra hery izy sady manaitaitra, misy antioxydant ihany koa izy izay manalava ny fahaveloman'ireo taova. Nisy fikarohana nilaza fa ny fisotroana café 2 kaopy isan'andro eo no manampy ny fahasitranan'ireo olona marary voa. Manampy amin'ny fiasan'ny aty sy ny fikorian'ny ra ihany koa izy.
âś… Manala fanaintainana:
Anisan'ny manala fanaintainana izy indrindra raha marary an-doha, aleo misotro café toy izay paracétamol
âś…Manamora ny fiasan'ny sela ao amin'ny ati-doha:
Anisan'ny manampy ny sela izy tsy ho mora maty, indrindra ao amin'ny ati-doha.
âś… Manasitrana ireo hozatra marary:
Ho an'ireo manao fanatanjahan-tena dia tena ilaina ny café noho izy manala fanaintanan'ny hozatra.

© 𝑻𝒔𝒚 𝒉𝒊𝒕𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒕𝒚 𝒇𝒂 𝒕𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂
MBA ZARAZARAO🙏🏻

13/11/2022
12/11/2022

🥰💪Mankahery ary mirary soa ho an'ireo raim-pianakaviana miezaka mitady izay mahasoa hamelomana ny ankohonany.

(Sary nindramina)

12/11/2022

Rehefa mihalehibe ianao dia misy olona tsy maintsy ho lasa lavitra anao. Misy toerana tsy ho alehanao intsony. Ary misy fomba fiteny tsy ho tsaroanao intsony.

Misy zavatra na olona tianao taloha toa lasa tsy nanaitra anao intsony aty aoriana rehefa mihalehibe ianao. Misy décision noraisinao tamin'izany toa lasa fahadalana eo imasonao aty aoriana.

Tsy maintsy misy fiovana. Tsy maintsy miova ny manodidina anao ary tsy maintsy hisy fiovana ny fiainanao. Aza matahotra fiovana ary aza terena hijanona izay efa tokony hiala. Aza terena ho tiavina izay efa tsy eken'ny sainao intsony. Iaino ny fiovana

HUIOS

Address

Toamasina

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Laf'Hatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share